INDRAY MIJERY

Tanterahina ao Antsirabe hatry ny omaly ary aharitra 5 andro ny atrikasa fanatsarana ny paikady fizarana faobe sy maimaimpoana ny lay misy odimoka ho an’ny taona 2024. Anisan’ny fomba iray fiarovantena amin’ny kaikitry ny moka ny fatoriana anaty lay. Izany indrindra no hanavaozana hatrany ny fomba fizarana hisitrahan’ny rehetra izany.
Notanterahina tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny fanentanana ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Nampahafantarina ireo karazan-dalàna mifehy ny herisetra. Nentanina ho sahy mitoroka ihany koa ireo iharan’izany.
Natolotra ny faran’ny herinandro teo ny fiara fitaterana marary ho an’ny distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra. Azon’ny rehetra ampiasaina amin’ny hamehana hitondrana marary mafy mamonjy hopitaly ny fiara. Nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana natao nandritra ny fandraisana ity fiara avy amin’ny fanjakana ity.
37 ny toeram-pitsaboana ny tiberkilaozy (CDT) eto amin’ny faritra Analamanga. Nampanakaikezina ny vahoaka izy ireny hanamorana ny fivezivezena amin’ny fihinanana fanafody tsy maintsy hatao isan’andro. 19 eto Antananarivo Renivohitra, 5 Ambohidratrimo, 3 Atsi­mon­drano, 3 Avaradrano, 3 Anjozorobe, 2 Manjakan­driana ary iray avy ho an’Ankazobe sy Andramasina.

Partager sur: