Kaompania Flydubaï : fanokafana zotra mankany Moyen Orient

Vinavinan’ny fanjakana ny hisarihana mpizahatany miisa 1 000 000 ato anatin’ny dimy taona, izany hoe, amin’ny taona 2028. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro izany tanjona izany. Izay no nahatonga ny fihaonana tamin’ny tomponandraikitry ny kaompania ana ha­bakabaka avy any Dubai, Fly­dubaï, tamin’ny alalan’ny orinasa Ravinala Airport.
Anisan’ny faritra manana ny lanjany amin’ny fizahantany ny any Moyen Orient. Izy irery no faritra nahavita nihoatra ny 20% ny tahan’ny fahatongavan’ny mpizahatany taorian’ny krizy Covid-19. Maha­tratra 8,55 tapitrisa ny mpizahatany nankany an-toerana nandritra ny telo volana voalohany ho an’ny taona 2023. Anisan’ny tena be mpitsidika ny any Dubaï, indrindra ny lafiny fizahantany mihaja sy avo lenta.
Miisa 120 ny zotra ataon’ny Flydubaï maneran-tany, ka ho anisan’ny hisitraka izany i Madagasikara. Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana, Ramon­javelo Valéry, nandritra ilay fihaonana, fa samy hahazo tombontsoa amin’ny fisokafan’ity sidina ana habakaba ity daholo ny andaniny sy ny ankilany. Hiantoka ny zotra anatiny rahateo ny Madagas­car Airlines. Eo am-pikarohana kaompania hafa avy any Moyen Orient ihany koa ny minisiteran’ny Fitaterana.

Njaka A.

Partager sur: