Tontosa omaly, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny seho an-tsehatra maroloko, niarahana tamin’ny kaompania Sahhaf’ Z’art soa. Ny tantara Mumbà no nentin’ity kaompania ity nanafana ny sehatra. Maro ny mpankafy tonga nianoka izany seho an-tsehatra izany, anisan’izany ireo mpankafy teatra. Tsikaritra fa miha mahazo vahana ary mihatanora ny mpiangaly sy mpankafy teatra malagasy.
Anisan’ny tena nampiavaka ity seho ity ny rindran-tsehatra sy ny fahafehezan’ny mpiantsehatra tsirairay avy ny anjara andraikiny. Ankoatra ny tantara Mumbà, nosoratan’i Sah, izay nolalaovina an-tsehatra. Nanome fahafinaretana ny vahoaka sy nandravaka ny seho tao amin’ny Ivokolo ihany koa ny dihy sy ny antsan-tononkalo ary ny Slam.
Raha tsiahivina, ny taona 2017 no niforonan’ny kaompania Sahhaf Z’art soa ary ny teatra, dihy, tononkalo, Slam, teatra no iseharan’izy ireo. “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”, io no teny filamatry ny kaompania. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, tanjona ny handeha lavitra, ao anatin’ ireo haikanto maro samihafa ireo, izany indrindra no hitondrana fanatsarana hatrany, araka izay tratra ny seho an-tsehatra atao.
Lin