Miova vao manova

 

Amin’ny politika, na mahavoa na voa roa: fanaovan-javatra amin’ny fotoana tena ilana sy mety ary tsara anaovana azy. Efa fahaizana politika ny fahalalana sy fanararaotana ary fahazoana antoka izany. Eo koa izay atao amin’izany, ny fomba fanaovana azy, ny olona hanao… Tsy fanaovana kitsapatsapa izany, tsy atao amin’ny fahazarana, tsy famerenana fotsiny ny teo aloha na izay nataon’ny hafa tatsy sy taroa…
Sanatria, tsy manome lesona na maneso amin’izay mety ho lesoka. Ny fomba fanaovana politika no… Aoka re e! Izay no mahatonga ny krizy politika miverimberina? Na inian’ny sasany averimberina… Efa lasa ny zavatra taloha, ary hafa ny anio sy ny omaly. Ilaozan’ny tantara izay tsy miova? Tsy fakana na fitanana fahefam-panjakana fotsiny ny politika; eny, na andehanana amin’ny fankahalana ny hafa aza, na fanaratsiana, na fanenjehana… Miara-dalana amin’izany ny hoe fitadiavana fifampidinihana amin’izay atao rehetra, marimaritra iraisana, fiaraha-mitantana…
Mila foto-kevitra mazava amin’izay aleha sy atao ny politika, vinam-piarahamonina, fandaharanasa… Efa mahafantatra ny amin’izany ny maro anisa? Miandry asa mivaingana, mitady vokatra haingana… Tsy mandeha ary tsy mandaitra ny politika fandrendreham-bahoaka, fanaovana azy ho tohatra fiakarana, fakana na fitanana fahefam-panjakana fotsiny… Efa miova fijery ny maro anisa? Mila manova fijery koa ny mpanao politika…

Aiza anefa izay hoe maro anisa izay amin’izao? Samy mihambo ho manana na mahazaka vahoaka avokoa ny atsy sy ny aroa… Izay no maha zava-dehibe ny fifidianana, ny fanajan-dalàna sy rafitra… Tsy samy hanao izay saim-pantany isaky ny mihetsika. Mahazaka izany ve ny mpanao politika te hizaka fanjakana? Mba tsy ho voa roa fa miova vao manova…

R. Nd.

Partager sur: