Iza re no hampitoviana aminy? Angamba tsy misy fa tena andrarezina tokoa i Ndrematoa, teo amin’ny tontolon’ny sariitatra sy ny tantara an-tsary. Nametraka tanteraka ny pensilihazo ka lasa any amin’ny mandrakizay izy…
Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha-67 taonany Rakotonomenjanahary Razanakolona Dieudonné, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Ndrematoa. “Andro vitsivitsy izy izay no niditra hopitaly teny amin’ny HJRA, dia izao lasa izao”, hoy ny filazan’ny namany. Maro ny mpiangaly ny sariitatra sy ny tantara an-tsary, saingy anisan’ireo nisongadina indrindra ary andrarezina tamin’ity taranja ity i Ndrematoa. Tsy teto an-tanindrazana ihany no namiratra, fa hatrany ivelany no nitondran’ity mpahaikanto ity izay dian-tanany izay.
Vao tany amin’ny faha-6 taonany dia tsikaritra ny talentan’i Ndrematoa teo amin’ny sary. Toa ireo indray nihira taminy, nankafy ireo tantara an-tsary vahiny izy. Tsy mba naka tahaka anefa, fa avy hatrany dia nametraka ny maha izy azy, vantany vao tsikaritry ny hafa ny talentan’i Ndrematoa. Mpanao sariitatra tao amin’ny gazety Atrika sy Vaovao izy tany amin’ny taona 1980. Efa nanomboka namoaka tsikelikely ireo tantara an-tsary fohy ihany koa. Fantatra tamin’ilay boky tantara an-tsary “Za..!” izay natokana ho an’ny olon-dehibe tamin’ny taona 88 tany koa i Ndrematoa. Taty aoriana namoaka ny sanganasany tao amin’ny Revue Capricorne, ary nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tantara an-tsary, nokarakarain’ny Centre culturel Albert Camus, tamin’izany fotoana. Toerana izay nahafantaran’ny maro azy ihany koa, satria niasa maharitra tao ity mpahaikanto ity.
Nandray anjara tamina hetsika iraisam-pirenena maro ho an’ny tantara an-tsary koa i Ndrematoa. Ankoatra ny “Gasy Bulles” teto Madagasikara, efa nivahiny matetika nandritra ny “Salon de la bande déssinée” tany Angoulême ihany koa izy. Maro ireo boky tantara an-tsary nandraisany anjara na nataony manontolo, raha tsy hilaza afa-tsy ny “Tana blues”, “Polifika” ary “La porte du Sud”.
“Filohan’ny repoblikan’ny tantara an-tsary i Ndrematoa”, hoy ny fampitaha nataon’i Sleeping Pop. Nanome voninahitra sady nanasongadina izay maha andrarezina sy goavana eo amin’ny zavakanto an’i Ndrematoa izay ireo mpanao tantara an-tsary sy sariitatra niriaria niaraka taminy: Rafally, Riri, Andry Patrick, Hery Shinato, Ra-Zida, Catmous James, sns.
Zo ny Aina