Hotanterahina manomboka rahampitso, any Diego ny fitiliana ireo Malagasy tanora mpilalao baolina kitra. Hetsika izay hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora ity hatao ity. I Wissem Maaref, mpanampy ny mpanazatra ny Barea no hanao ny fitiliana eny an-toerana.
Nodimandry teo amin’ny faha-28 taonany ilay Ghaneanina mpilalao baolina kitra, Raphael Dwamena. Tany Albanie ity lohalaharan’i Ghana ity no nilalao. Raha ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, manana aretim-po i Dwamena.
Lavon’i Jannik Sinner, italianina mpilalao tenisy, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/6,4), ilay grika mpilalao tenisy, Stefanos Tsitsipas, omaly, tany Turin, Italie. Lalao tafiditra amin’ny andro voalohan’ny fifaninanana “ATP Masters”. Marihina fa eo amin’ny laharana fahefatra maneran-tany i Jannik Sinner, raha toa ka fahenina i Tsitsipas.