TARATRY ny KANTO

Misokatra ny taom-pikatrohana 2023-2024, hetsika ara-kolontsaina eo ambany fiahian’ny fitaleavam-paritry ny Kolontsaina sy ny serasera Boeny, izay nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo. Hifan­dimby ao amin’ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina, “Akôry haly”, ireo mpanoratra, poeta, mpanao slam, jijy, mpandihy, mpihira, mpikabary, sns.
Handrasana ny sehon’i Tovo J’Hay. Hipoka nialohan’ny fanombohana ny “cabaret” izay nataon’ity mpanakanto ity tetsy amin’ny Piment Café Behoririka, ny zoma teo. Mangetaheta seho goavana ireo mpankafy, satria efa ela no tsy nisy izany. Tsy afa-po amin’ny seho anaty efitra kely intsony izy ireo, fa miandrandra ny seho goavana toa ny fanaon’i Tovo J’Hay taloha.
Namoaka hiaka farany amin’ny hetsika tantara an-tsehatra ny eo anivon’ny Compagnie Ako, nampitondrainy ny lohateny hoe: « Tsimbalivaly ». Maneho sy mitantara ny zava-misy iainan’ny olona sahirana ara-pivelomana sy ireo olona tsy manan-kialofana ny vontoatin’ny tantara. Hotanterahina ny zoma izao, etsy amin’ny Ivokolo Analakely, ny fampisehoana.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Ankiz’Art Anosibe, ny hetsika adilahy poetika. Fotoana nahafan’ireo ankizy monina eny amin’ny faritra iva, nanao antsa tononkalo. Niarahan’izy ireo tamin’ny mpanoratra maro samihafa. Nahaliana ankizy maro ny hetsika ary mbola hitohy hatrany.

Partager sur: