VAOVAO TAMBATRA

Hiverina tsy ho ela ny zotra an-dalamby « train express », mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE). Efa vita avokoa ny asa fanarenana sy fanamafisana ny lalamby any Tanakidy, taorian’ny lozam-pifamoivozana tany Tanakidy Voromailala, ny 20 septambra 2023 teo. Efa niverina ny zotra « train mixte » hatreo Sahasinaka, nanomboka ny 1 oktobra.

Mikatona manomboka ny 15 novambra 2023 hatramin’ny 15 janoary 2024 ny fotoam-panjonona any amin’ny faritra Betsiboka. Voarara tanteraka, noho izany, ny fanjonoana, ny fivarotana, ny fitaterana ary ny fitahirizana ny hazandranomamy rehetra mandritra io roa volana io.

Nahazo milina mpamokatra herinaratra, manana tanjaka 400 kw avy, ny any Sakaraha sy Ihosy. Tanjon’ny Jirama sy ny minisitera ny hisitrahan’ny distrika rehetra eto amin’ny Nosy izany. Hanamafy ny vokatra herinaratra sy hanafoana ny fahatapahan-jiro nisy fanapariahana fotodrafitrasa toy izao.

Ho vita mialoha ny faran’ity taona ity ny fa­namboarana ny tetezan’i Sahamamy, Mananara Ava­ratra, faritra Analanjirofo, mampitohy kaominina dimy (Antanambaobe, Antanananivo, Sandrakatsy, Ambato­haranana, Tanibe). Vita ireo « culées » miisa roa, hipetrahan’ny tetezamby « pont Bailey », izay efa ho tonga tsy ho ela koa.

Partager sur: