Natao ny 10 novambra teo, tany Manakara ny tombana sy ny famaranana ny fandaharanasa Formaprod, ho an’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Nanomboka ny taona 2017 ny fandaharanasa ho an’ireo faritra roa ireo. Niahy azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida, sampandraharaha ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny lafiny fampandrosoana ny fambolena. Tanjon’ny Formaprod ny fampiofanana ny tantsaha ho matihanina amin’ny famokarana, mba hahavita tena ara-tsakafo.
Anisan’ny tena nisitraka azy ny tanora tany Vatovavy sy Fitovinany, ka maro no lasa matihanina sy mahomby. Mahatratra 11 045 ny tanora nahazo fiofanana, ka tanora sahirana niala tamin’ny fianarana ny 7 579 tamin’ireo. Miisa 5 340 ireo nahazo fiahiana, ary 3 074 nanana tetikasa ka nahazo famatsiam-bola. Nahatratra 2 630 nahazo tohana ho fanombohana tetikasa.
Miisa valo ny toeram-piofanana notohanan’ny Formaprod ary maro koa ny nahazo fanaraha-mason’ny minisitera. Teny filamatra noraisina ny hoe « tanora tsara ofana, tsara ketrika, tsara fihary, tanora soa fianatra ». Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fandaharanasa.
Njaka A.