Andramasina : nahazo milina hanodinana ovy ho lasa chips

Hamokatra chips hatramin’ ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao Andramasina, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ ny taninketsa indostrialy (ODOF). Tetikasa hanomezan-danja ny vokatra eny ifotony, hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra. Manodidina ny 25 000t isan-taona ny ovy mivoaka avy ao amin’ireo kaominina maro­maro ao anatin’ity distrika ity, toy ny ao Alatsinainy Bakaro, Fitsinjovana Bakaro, Ambohi­miadana, Alarobia Vatosola, Tankafatra. “Tsy mena-mitaha amin’i Vakinankaratra ny distrikan’Andramasina raha resaka ovy. Mora kokoa ny ovin’Andramasina noho izy akaiky ny Renivohitra”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna any an-toerana, Rakotomanga Nary.
Distrika faha-43 nametrahana ny ODOF Andramasina ary fahenina ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Manentana ny tantsaha hamboly ny lehiben’ny distrika any an-toerana mba hahafahan’ny fanjakana manampy azy ireo. Halefa tsy ho ela ny antso ho an’ny tetikasa ahafahana mi­fantina izay mpandraharaha zanatany hitantana ny ori­nasa.

Henintsoa H.

Partager sur: