Fanateram-boninkazo tao Toamasina : maro ny vy karakaram-pasana very

Mbola anjakan’ny asa ratsin’ireo jiolahy hatrany ny fasana, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanararaotana rehefa vaninandro ny fahatsiarovana ireo efa nodimandry ny voalohan’ny volana novambra. Lasan’ ireo mpangalatra ny vy karakaram-pasana. Raha ny zava-nisy tao Toamasina nandritra ny fankalazana sy fahatsiarovana ny fanateram-boninkazo tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, maro ireo velon-taraina noho ny fahaverezan’ny moto. Moto efatra, araka izany, no indray very tamin’io fotoana io. « Mody manatona ireo olona mitondra moto ireo mpangalatra dia manome jeton dia apetraka ny moto. Miverina avy any amin’ny fasana anefa, tsy hita eo amin’ny toerana intsony ilay moto », araka ny fanazavan’ireo tompona moto. Milaza ho tsy mahafantatra ireo jiolahy anefa izay hanontaniana rehetra. Hatramin’izao aloha, olona efatra no nahazoam-baovao fa very moto ny andron’ny voalohan’ny volana novambra teo tamina toerana iray. Ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena no nahafantarana fa jiolahy no tratra teo am-panosehana moto.
Lasa hatramin’ny gadana…
Rehefa natao ny fisavana dia tsy manana fanalahidin’ireo moto atosik’izy ireo izy roa lahy. Niaiky izy roa lahy fa moto vao avy nangalarina ireo natosika ireo. Efa naiditra am-ponja izy roa lahy ireo taorian’ny fanolorana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana. Tsy vitan’izay fa lasibatr’ireo jiolahy koa ny varavarambim-pasana nialoha izao. Fotoana nahafahan’ireo fianakaviana nanararaotra nametaka ny solony koa io fotoana io. Nisy tamin’ireo tompom-pasana aza no taitra fa tamin’io fotoana io vao nahatsikaritra fa tsisy varavarana intsony ny fasana. Tsy fasana iray na roa no niharan’izany halatra vy izany fa maro. Tsy vitan’izay fa lasan’ireo jiolahy hatramin’ny gadana varahina aza.

Sajo

Partager sur: