Nohalavain’ny fitsarana 48 ora ny fihazonana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, eny anivon’ny zandary, misahana ny fikarohana heloka bevava Fiadanana. Tokony ho tapitra, omaly izany. Tsiahivina fa nosamborina teny Mahamasina nandritra ny hetsika ny alarobia lasa teo izy.
Nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny Vondron’ny kandidà 10, omaly. Tsy azo natrehina fa nikaton-trano tanteraka izany fivoriana izany. Tombanana fa naneho ny heviny momba ny tsy fankasitrahana ny hanaovana ny fifidianana ny alakamisy izao ireo kandidà.
Ho andro tsy hiasana nefa andraisan-karama ny alakamisy 16 novambra izao, hanatanterahina ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asam-panjakana fa manerana ny tanin’ny Repoblika izany.
Nanao diabe, nihodina ny farihin’Anosy ireo eo anivon’ny “Hetsika fotsy”, omaly. Nomena ny anarana, hetsika am-pilaminana “Tohivakana fotsy” izany ho fanoherana ny fanatanterahana ny fifidianana ny alakamisy 16 novambra izao.