Hiverina hisokatra tsy ho ela ho an’ny besinimaro ny aérogare vaovaon’i Farafangana. Hetsika mifandraika
amin’ny fampiroboroboana ny sidina anatiny izay kasain’ny Madagascar Airlines hatao. Manan-karena eo amin’ny sehatry ny fambolena jirofo sy lavanila ary vokatra fanondrana i Farafangana. Vavahadin’ny faritra Atsimo Atsinanana rahateo ny toerana. Tombony lehibe ahafahan’ireo mpandraharaha sy mpizahatany mifamezivezy ny fanatsarana ny aérogare ao an-toerana.
Tsiahivina fa nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra, ny 23 septambra teo, no nanambarana ny hanatsarana ny aérogare. Taorian’izay, nandeha ny tolobidy ary manao ny fanamboarana rehetra ny orinasa hahatanteraka ny fanavaozana. Maharitra 90 andro ny faharetan’ny asa, hisokatra kosa izany aorian’izay.
Seranan-tsambo
Antoky ny fampiroboroboana ny toekarena ho an’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany ny seranan-tsambo an-dranomasina ao Mananjary. Miteraka asa izy sy mampidi-bola ary mamelona tokantrano maro. Ilaina ny fanatsarana sy ny fanamboarana ny fotodrafitrasa mba hitandroana ny aro loza sy ny fipetrahan’ireo sambo tonga any an-toerana. Nisy ny dinika nifanaovan’ireo tomponandraikitra sy teknisianina eo anivon’ny APMF momba ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ity. Voatonona manokana tamin’izany ny fanajariana ny terre-plein, ahafahana mandray ny sambo sy ny fijerena ny dragage, ilaina atao eo ambinanin’i Mananjary ho an’ny lakandranon’i Pangalana.
Henintsoa H.