Amboaran-tononkalo, rakikira fihaino ary teatra poetika no indray mitambatra anatin’ny “Halo Project”. Indray ampahafantarin’ny mpanoratra Nirihaja sy ny Volivolana sabotsy izao izany.
Teatra poetika. Raisina amin’izay fanagasiana izay aloha ny “théâtre poétique”, mandra-pisian’ny dikanteny malagasy. Endri-tseho tsy mahazatra firy, satria ny tononkalon’ny mpanoratra iray no lalaovina an-tsehatra toa ny teatra. “I Avelo-Nidor no nanomboka ny teatra poetika, ka io tohizan’i Nirihaja io. Misy fahasamihafany amin’ny tsangan-tononkalo izy, satria sanganasan’ny mpanoratra iray ihany”, hoy i Zo Maminirina, mpiandraikitra ny seraseran’ny Faribolana Sandratra.
“Hasambarana iray felatanana” no nampisalorana ity teatra poetika, sanganasan’i Nirihaja ity. Haseho voalohany ny sabotsy 18 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Ivokolo Analakely izany. Hilalao sy hanome aina an-tsehatra ny “Hasambarana iray felatanana” ireo vehivavy 5 mandrafitra ny Volivolana. Hiara-dalana amin’ny antsan-tononkalo, araka izany, ny fihetsika, dihy sy mozika.
Tetikasa “Halo Project”
Ampahany ao anatin’ilay tetikasa “Halo Project” ny “Hasambarana iray felatanana”. “Halo”, na “aloka fanahy”, izay tian’ny mpanoratra Nirihaja hasongadina anatin’ireo sanganasany. “Halo” ny lohatenin’ny boky amboaran-tononkalo miisa 30. “Halo” ihany koa ny lohatenin’ny rakikira mirakitra ireo antsan-tononkalo miisa notsongaina manokana. Ilay mpanoratra, mpihira ary mpitendry Piano, Môta Soa, no nanao ny feonkira mandravaka izany.
Ireo tetikasa telo ireo, ny rakikira, ny amboaran-tononkalo ary ny teatra poetika no mandrafitra ny tetikasa “Halo Project”. Tanjon’ny mpanoratra sy ireo mpiara-miasa aminy ny hanome aim-baovao, mampiala voly kokoa anefa mampirorobobo ihany koa ny literatiora malagasy. Raha tarafina tamin’ny lalana nodiaviny teo amin’ny literatiora, tsy nitsahatra nikaroka izay kanto miavaka izay hatrany i Nirihaja.
Zo ny Aina