Ida-Fiavota: 1 tapitrisa mahery ny afaka tamin’ny kere

Mahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Fikambanana iraisam-pire­nena ho an’ny fampandro­soana (Ida), tahirim-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Na­petraka ny fandaharanasa Fiavota, hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Anisan’ny niaina ny mosary, tamin’ny taona 2016, i Vola­tsarasoa, 33 taona, monina any Malangy, distrika Ambo­vombe. Nambarany fa « tena mafy ny zava-nisy, nijaly izaho izay bevohoka sy ny vadiko ary ny zanako efatra. Vary iray vilia no zarainay ary amin’ny hariva ihany. Zara raha mahazo 500 Ar isan’andro ny kitay raofinay namidy avy eo. Tsy ampy ividianan-tsakafo sy rano izany ».
Niaina toa an’i Volatsa­ra­soa io ny mponina maro. Na­nampy tany an-toerana ny Ida, ka nahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ny fandaharanasa Fiavota. Nen­tina hiarovana ara-tsosialy sy ha­nampiana ara-bola ary hanohanana ny mponina. Anisan’ ny nisitraka izany i Volatsara­soa, ankehitriny. Afaka miaina ny fianakaviany taorian’ny fiofanana. Hainy ny mitantana ny vola ao an-trano, sady miompy sy mamboly mahazaka ny haintany. Mahe­rin’ny 1 tapi­trisa ny olona nisitraka ny Fiavota.

Njaka A.

Partager sur: