Mirongatra ny halatra moto ao Avaradrano. Jiolahy roa raindahiny indray voasambotra niaraka tamin’ny zava-maranitra, afakomaly.
Tratran’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’ny Sabotsy Namehana ny roa lahy mpangalatra anatin’ny tambajotra mpangalatra moto ao Ilafy, ny harivan’ny alahady 12 novambra teo. Naharay fitarainana tamina olon-tsotra ny polisy momba ny fisiana jiolahy mpandroba. Nanendaka sady nanao herisetra tamin’ny lasibatra ireo roa lahy voalaza, io alahady io, tamin’ny 4 ora hariva. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Lehilahy roa voasambotra teny an-toerana voatondro. Nahitana zava-maranitra teny amin’ireo jiolahy. Moto iray sy vola 2 500 Ar no nalain’ireo olon-dratsy. Nentina natao famotorana ka niaiky heloka ireto farany. Karohina ny namany izay niara-nanao io fanendahana niaro vono io. Marihina, vao naiditra am-ponja ny herinandro lasa teo ny mpivady nangalatra moto tratra teny amin’ny fokotany Belanitra. Namaky trano tao Ankadikely Ilafy izy mivady ireo, ny 4 novambra teo. Nosavain’ny polisy ny tranony taorian’ny fahazoana loharanom-baovao. Tsy nahitana taratasy mazava tokoa teny amin’izy mivady momba ilay “scooter” sarona. Nentina natao famotorana ka naiditra am-ponja izy ireo taorian’izay.
Tsiferana R.