Hanatanteraka fisoratam-panambadiana faobe ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga, ny alakamisy 14 desambra izao, ao amin’ny Lapan’ny tanàna. Manentana ireo mpifankatia vonona hiroso amin’ny fanambadiana hampanara-dalàna ny tokantrano ny fiadidiana ny Tanàna. Tanjona ny ialana amin’ny tokantrano imaso.
Tsy marin-toerana ny atmosfera ho an’ny telo andro manaraka eto Madagasikara. Hisy, araka izany, ny rotsakorana any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, hiitatra amin’ny ilany atsinanana izany ary hipaka hatraty afovoantany. Ho maina kosa ny andro ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ny akapobeny.
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny talen’ny tetikasa “Perer”, Carlos Miro, ny faran’ny herinandro teo. Niompana tamin’ny fampidirana ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro eny amin’ny Lisea teknika Antananarivo sy Toliara ny fihaonana.
Notanterahina ny fanjohiana sy fanomezana tantsoroka ireo « Club HFHF » natsangana eny amin’ireo CEG sy Lisea miisa 45 eo anivon’ny Dren 15. Anisan’izany ny any Bongolova, Vatovavy, Fitovinany, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Boeny, Vakinankaratra, Menabe, Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Sofia, Diana, Androy ary Anosy. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanabeazam-bahoaka ho olom-pirenena (DEMC) no miandraikitra izany.