Nitombo hatrany ireo manam-pahaizana sy andrarezin’ny horonantsarimihetsika handray anjara amin’ny Madagascourt Film Festival, andiany faha 18. Teratany vahiny telo, samy manana ny mampiavaka azy, ary sangany eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika ny hitondra ny traikefany sy fahaiza-manaony, ao anatin’ity andiany faha 18, atao ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antananarivo sy Mahajanga, ity. Tanjon’ny mpikarakara ny hetsika ny hampiakatra ny lenta sy lanjan’ny horonantsarimihetsika eto Madagasikara, sy hanome sehatra ireo vao misandratra amin’ity tontolo ity.
Ho avy eto Madagasikara i Lucile Canault, Virginie Giachino ary Yvan Zuber. Izy ireo no hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony avy, ao anatin’ny atrikasa mandritra ity hetsika lehibe, atao eto Madagasikara, ity. Raha tsiahivina, samy manana ny mampiavaka azy izy ireo. Raha i Lucile Canault, tomponandraikitry ny famokarana sy fifantenana ary fandefasana horonantsary fanentanana ao amin’ny “France Télévisions” izy. Mpamorona ny orinasa mpamokatra horonantsary “Doncvoilà productions” kosa i Virginie Giachino, raha sahala amin’izay ihany koa i Yvan Zuber, saingy mampiavaka azy ny maha mpikambana azy eo anivon’ny “Académie Franco-Allemande du Cinéma”.
Lin