Miandry fifidianana

 

Amin’ny ankapobeny, roso toy tsa mipody koa ! Mandeha ny fifidianana ary tsy misy mahasakana izany aloha mandraka anio. Rahafakampitso, miroso any amin’ny fandatsaham-bato ny mpifidy miisa 11040 000 mahery. Efa vonona tanteraka ireo any amin’ny rantsa-mangaikan’ny vaomiera mahaleo tena mikarakara ny fifidianana any ifotony. Ny mpandatsa-bato sisa no andrasana.
Ny eto an-drenivohitra efa iaraha-mahita fa tsy mahasakana ny olona tsy handeha hifidy ny hetsika fotsy ataon’ny kandidà 10 mirahalahy. Ny fandaharana manokana karakarain’ny Ceni tamin’ny fahitalavim-pirenena aza mandeha soa aman-tsara. Na ireo milaza tsy tia fifidianana, nimenomenona tahaka ny inona vao hoe tapaka ny jiro tany amin’izay nisy azy tany. Maro ny nilaza tsy tia vary mohoka kanefa mahalany sosoa be rano.
Zava-dehibe hamaritra ny hoavin’ny firenena ny fifidianana izay hatao ny alakamisy ho avy izao. Tsy misy afaka ny handa izany raha mbola milaza fa demokratika. Feno ny fepetra, satria efa manana ny rafitra manokana ny fikarakarana. Tsy nisy nisintona ny filatsahany ho fidina tamin’ny fomba ofisialy izy 13 mirahalahy. Tsy nanao izany na ilay naratra nitsabo tena any an-dafy aza. Samy ho ao anaty ny biletà tokana avokoa izy rehetra.
Na tsy nanao fampielezan-kevitra aza izy 10 mirahalahy, malalaka ny lalana ho an’ny mpanohana azy ireo raha handeha handatsa-bato. Azo antoka fa tsy maintsy hisy rahateo izany, ho an’ny olona akaiky azy ireny na ny namany. Tsy voatery ho resy lahatra amin’ilay fanemorana fifidianana rahateo ny tsirairay. Ny ankamaroan’ny olona miandry filaminana ahafahana mihary am-pitoniana.
Iza amin’ny vahoaka malagasy rahateo no resy lahatra fa mila kirizy ? Tsy misy na iray aza angamba haniry loza ho an’ny fireneny sy ny taranany. Efa samy sasa-miandry fifidianana !

r.r

Partager sur: