Potika ny fiharian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina noho ny toe-draharaha politika miseho amin’izao fotoana. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola.
Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny Analakely noho ny hetsika, toe-draharaha, politika miseho amin’izao fotoana izao. Lasibatra tanteraka ny toekarena ka tsy mampidi-bola na ireo mpandraharaha maro samihafa na ireo mpivarotra isan-karazany “Amin’ny fotoana tena mampandeha ny tsena no voatery manakatona izany izahay noho ny tahotra ny asan-jiolahy samihafa sy ny zava-misy”, hoy i Sariaka, mpivarotra eny an-toerana. Nambarany fa miezaka mivarotra maraina izy saingy tsy misy mpividy. Vokany, mihena ny fidiram-bola. Voatery miandry ny faharavan’ny hetsika vao afaka miverina manokatra tsena indray ireo mpivarotra. “Mamonjy fodiana avokoa ny ankamaroan’ny olona vantany vao manomboka ny hetsika. Mpandalo sisa no betsaka amin’ny fanokafanay indray ny tsenanay. Vitsy manaraka izay koa ny mpividy”, hoy hatrany ny fanazavany.
Very vola
Matiantoka tanteraka ireo mpivarotra eny an-toerana. Tsy miverina ny vola nividianana entana. Voatery mivoaka ny any am-paosy sy ny tahiry ananana hanentsemana ny banga. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola, izay miantraika betsaka amin’ny andavanandron’ny tsena sy ny fiainan-tokantranon’izy ireo.
Toerana ivondronan’ny mpandraharaha maro samihafa ny eny Analakely sy ny manodidina. Amina miliara ny vola mihodina eny an-toerana isan’andro. Mamelona tokantrano an’arivony ny fihariana izay mizaka ny toe-draharaha politika sy ny zava-misy amin’izao fotoana izao.
Henintsoa Hani