SOMBIM-BAOVAO

Laharana fahefatra Andriambololona Zo Hajanirina, solontena malagasy niatrika ny fifaninanana « Open d’Afrique », taranja judo, tany Dakar, ny alahady 12 novambra teo. Tsy niakatra « podium » izy saingy nahazo traikefa lehibe nandritra ity fifaninanana ity, araka ny namba­rany.

Hanatanteraka fihaonambe ny mpisehatra sy mpankafy ny taranja volley, ny zoma 8 desambra izao. Eny amin’ny Yandy By-pass ny hanaovana izany, manomboka amin’ny 12 ora atoandro. Ho famerenana ny lanjan’ny taranja volley-ball eto Madagasikara no tanjona amin’ity hetsika ity.

Notontosaina ny alahady lasa teo ny andro faha-12, fiadiana ny ho tompondakan’i Angle­terre “Premier League”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala 4 no ho 4 ny Manchester City sy ny ekipan’ny Chelsea. Ity farany no nampiantrano ny fihaonana tamin’io fotoana io.

Tsy ao anatin’ireo folo voalohany amin’ny filaharan’ny ATP, taranja Tenisy, i Rafael Nadal, espaniola mpilalao. Mitana ny laharana voalo­hany amin’izany kosa, i Novak Djokovic, serba. Faharoa i Carlos Alcaraz. Olana ho an’ny Nadal ny ratra nahazo azy ka tsy afaka nanatrika fifaninanana maro izy.

Partager sur: