«Festival Sar’nao». Amperiny tanteraka ny « Festival Sar’nao » andiany faha-14 ankehitriny. Ankoatra ny fampirantiana, misy ihany koa ny atrikasa momba ny varotra ana habaka, atao anio, eny amin’ny Aft Andavamamba. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa miara-miaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ka ilaina ny mahafehy izany.
« Diary Nofy ». Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika “Diary Nofy”. Raha tsiahivina, hetsika mahakasika ny vaky boky ny Diary Nofy. Hampiavaka ity hetsika rahampitso ity kosa ny fanomezana sehatra manokana ny angano ho an’ny ankizy.
Rija sy Farakely – Hahemotra ny seho any Toamasina. Araka ny vaovao nampitain’ireo mpikarakara, foanana ilay seho saika hatao ny zoma 17 novambra izao, ao amin’ny Brasserie de la Gare, Toamasina. Noho ny fifidiana izay hiseho iray andro mialoha io no antony, raha ny fanazavana. Tsy maintsy hotontosaina amin’ny manaraka anefa ity seho, izay tohin’ny teto Antananarivo ity. Famerenana ireo sanganasan’i Bessa sy i Lôla, hataon’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely izany.
« Novembre numérique ». Mandray anjara amin’ny hetsika “Novembre numérique” ihany koa ny eny amin’ny Aft Andavamamba. Misokatra rahampitso, hatramin’ny 18 novambra 2023, izany hetsika izany ho an’ity ivontoerana ity. « Du passé vers le futur » io no lohahevitra hasongadina mandritra ny hetsika.