Tetikasa « Pipeline Efaho »: Manomboka ny asa fanorenana

Manao ny ezaka rehetra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny governemanta, na eo aza ny fifidianana.

Mitohy ny tetikasa “Pipeline Efaho”, fametrahana ny fan­tsombe avy amin’ny reniranon’Efaho any Taolagnaro hatrany Ambovombe. Vita ny antontan-taratsy mirakitra ny fanadihadiana teknika, sady nivoaka ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Natomboka, omaly 13 novambra, tany Esalo kaomi­nina Manambaro, distrika Taolagnaro, ny asa. Nota­rihin’ny minisitry ny Rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana, Ravokatra Fidiniavo. Nanotrona azy koa ny governora Anosy, Rtoa Rakotovelomanantsoa Voahary, sy ny an’Androy, Lahimaro Soja. Nanatrika teo koa ny solonten’ny orinasa hanao ny asa sy ny mponina avy any Esalo (Anosy) sy Ambovombe (Androy).

Efa any an-toerana daholo ny fitaovana vaventy sy ny kojakoja ary ny milina ilaina amin’ny asa. Tafa­petraka koa ny foibe fisintoman-drano (stations de captage) miisa roa ao amin’ny PK 31 sy any Andranogo.
Ampy ny 10% amin’ny reniranon’i Efaho

Tanàna miisa 40 amin’ireo 60 any amin’ny faritra Anosy, any Taolagnaro hatrany Am­boasary Atsimo, no hanombohana ny asa voalohany. Mitohy ny fanafarana ireo fantsombe, hanampy ireo 1 000 isa efa tonga tamin’ny septambra 2023 teo.

Fantatra fa ny 10% amin’ny reniran’i Efaho dia ampy amin’ny fanaovana ny tetikasa Pipeline. Azo ampiasaina hijerena tetikasa hafa ny ambiny, toy ny fanondrahana tanimbary sy ny fambolen’ny mponina.

Nilaza ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, fa hatao laharam-pahamehana ny hampidirana ho mpiasa ny mponina eo an-toerana, araka ny nifanarahana tamin’ny orinasa hanao ny asa. Manampy izany, nanao antso avo ny olom-pirenena rehetra ny tenany ny handehanana mifidy amin’ ny 16 novambra ho avy izao. « Zo sy adidy ny mifidy, izay hamaritra ny hoavin’ny firenena ho an’ny dimy taona manaraka », hoy izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: