TSELATRA

Tovovavy roa indray naratra nendahin’ny tontakely teo Analakely, omaly tolakandro. Efa nisy nahatsikaritra izy roa narahin’ireo mpanendaka, saingy tsy afa-nanoatra fa nitazana fotsiny. Lasan’ireo jiolahy ny poketra nisy vola sy finday. Nilaza anefa izy ireo fa handeha hividy fanafody hitsaboana olona tsy salama, kanjo izao lasan’ny olon-dratsy izao ny vola.

Renim-pianakaviana iray naratra mafy nianjeran’ny vato malao teny Androndra, omaly. Nikarama nitaom-bato izy ka teo am-piondrehana izy no nianjera tampoka ny vato teny ambony lohan’ilay namany. Vaky ny lohany ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana izy. Avotra soa aman-tsara ihany anefa ity vehivavy ity na teo aza ny ratra nahazo azy.

Lehilahy tompon’antoka tamin’ny vaky trano voasambotra tao Andralanitra, ny alahady 12 novambra teo. Tokantrano iray tao Ambanivato Soama­nandrariny no lasibatra ny alin’ny 31 oktobra teo. Roa hafa koa sarona niaraka tamin’io lehilahy io. Ireto farany izay efa nigadra teny Antanimora ny iray raha toa ka namita sazy teny Ambohidratrimo ny namany.

Trano am-polony ravan’ny rivotra mahery vaika narahin’ora-mikija tao amin’ny kaominina Berivotra, distrikan’i Maevatanana, ny sabotsy 11 novambra teo. Ankohonana folo tsy manan-kialofana vokatry ny fahapotehan’ny trano fonenan’izy ireo. Nifindra monina amin’ireo tokantrano akaiky azy ireto lasibatra.

Partager sur: