VAOVAO TAMBATRA

Tonga, omaly, tany Ihosy, ny milina mamokatra herinaratra 400 KW. Niaina sy niaritra ny fahatapahan-jiro ny mponina any an-toerana nandritra ny telo volana. Niezaka nitady vahaolana ny Jirama sy ny fanjakana foibe, ka izao voavaha izao ny olana. Ho avy tsy ho ela koa ny milina ho an’i Sakaraha.

Haharitra 90 andro ny fanarenana ny seranam-piaramani­dina any Farafangana. Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny zotra anatiny amin’ny fifamoivoizana ana habakabaka hiantohan’ny Madagascar Airlines, ny fanatsarana fotodrafitrasa toy izao. Manankarena koa iny faritra iny amin’ny vokatra fanondrana, toy ny jirofo, ny lavanila, sns. Eo koa ny fizahantany.

Mampiroborobo ny tolotra ara-pizahantany any Antsira­nana ny tetikasa “Kobay”. Anisan’izany ny fitsidihana iombonana (birdwatching) ny Faritra arovana, toy ny atiala sy ny farihy Mahery ao anatin’ny tendrombohitra “Montagne d’Ambre”. Misy, toraka izany, koa any amin’ny parka Ankarafantsika, faritra Boeny.

Partager sur: