Ambatoboeny : ho vita tsy ho ela ny baka

Vita ny faran’ny herinandro teo, ny ampahany voalohany amin’ny asa fanarenana sady fanamboarana ny baka, ao amin’ ny «radier» Ambatoboeny. Eo amin’ny halavirana PK 20 amin’ny lalam-pirenena RN33B no misy azy. Manatanteraka ny asa ny Fitantanana tohana amin’ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy.
Asa natao ny fandravana ny lakamby miisa telo, mitondra ny baka tany Tanimalandy Tsaramandroso, ka notaterina tany Ambatoboeny. Natambatra tamin’ny alalan’ny vy matanjaka IPN ireo, miampy takelaka hazo narafitra.
Manohy ny asa ampahany faharoa, ankehitriny, ny orinasa Solide Construction. Anisan’ny hataony ny fisintonana avy ao anaty rano sy ny fanamboarana ny motera, izay tavela anaty rano.

Tsy ho ela dia hiverina hiasa ity baka any Ambatoboeny ity, hiantoka ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra. Nen­tanin’ny minisitera ny mpampiasa sy ny tomponandraikitra mitantana azy mba hahay hitandro sy hikajy ny fotodrafitrasa miasa ho an’ny besinimaro toy itony.

Njaka A.

Partager sur: