Mpiambina iray “agent de sécurité” nangalatra moto ka nifanenjehan’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambohijanaka, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly. Mody niditra tao amina toeram-pitsaboana (CSBII) anatin’io fokontany io ilay lehilahy.
Namonjy filaharana toy ny marary rehetra izy. Nahatsikaritra ny moto an’i dokotera nipetraka tao amin’ny efitra mitokana anefa io olon-dratsy io. Nanararaotra nitsangana izy rehefa variana tamin’ny filaharana ireo marary. Natosiny nivoaka ny trano nisy azy ilay moto marika kymco GP. Nirohotra nanenjika io mpangalatra io ireo marary nilahatra. Poa toy izay, voasambotra teny amin’ny 300 m niala ny toeram-pitsaboana izy.
Nisy tamin’ny fokonolona no saika hampihatra ny fitsaram-bahoaka tamin’io jiolahy io. Miasa manao mpiambina na irony “agent de sécurité” irony ity tratra ity. Naverina amin’ny tompony ny moto nangalariny.
Tsiferana R.