Indroa miantoana ny fanafihana teny Atsimondrano, omaly. Jiolahy efa-dahy nitaingina moto avokoa no nandroba tsena sy mpitondra moto teny amin’ny RN7.
Lasan’ny jiolahy efa-dahy nanao taingin-droa tamin’ny moto ny vola “versement” nitentina 5 tapitrisa Ar avy nalain’ny mpanatitra fahana iray teny amin’ny RN7 teo Ambohibao, kaominina Bongatsara, omaly tolakandro. “Avy nanangona versement teto an-drenivohitra ireo roa lahy lasibatra ary nikasa hody any Alatsinainy Bakaro”, hoy ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Ahina ho efa narahin’ny olon-dratsy maso izy ka nandrasan’ireto farany tamin’ny mangingina araka ny fanadihadian’izy ireo. Efa-dahy nitam-basy nanao taingin-droa tamin’ny moto no voalaza ho nanao ny fandrobana. Lasa ny sakaosy nisy ny vola an-tapitrisany. Naratra vokatry ny daroka nataon’ireo mpandroba ny lehilahy iray.
Lasa ny vidin’entana
Ankoatra io, norobain’ny jiolahy efa-dahy nitam-basy hafa koa ny toeram-pivarotana iray ao Imerimanjaka, kaominina Ambohijanaka, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Nirongo basy vita gasy roa, niditra an-keriny tao an-tsena ka nanambana basy ny mpivarotra. “Tsy nisy nisaron-tava ireo jiolahy ary nanao taingin-droa tamin’ny moto roa izy efatra”, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Tsiahivina, ankoatra ny mpanao Cash point matetika lasibatry ny fanafihan-jiolahy koa, tato ho ato, ny mpanao Quincaillerie. Anisan’izany ny nahafatesan’ny mpitandro filaminana jiolahy nitam-basy nikasa hanafika teny Fenoarivo sy ny fandrobana teny Ankadikely Ilafy, volana vitsy lasa.
Tsiferana R.