FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety ny “Reporters Sans Frontières -RSF”. Nambaran’izy ireo fa am-polony ireo mpanao gazety niharan’ny herisetra tato ho ato ka anahirana ny hanaovan’ny mpanao gazety ny asany am-pilaminana sy tsy misy sakana.

«Tokony hodinihana an-databatra boribory ny fototry ny olana. Mba hitadiavam-bahaolana maharitra, tsy hiverenan’ny krizy matetika », hoy ny “Groupe National de médiation – GNM”. Tokony hampanjaka ny fahamarinana sy ny fihavanana isika araka ny fanambaran’izy ireo.

Mitsipaka ny fifidianana tsy tomombana ny solotenan’ireo kandida any Atsimo Andrefana, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. Nanohy ny hetsika an-dalambe ary miandry ny toromarika avy aty
amin’ny Vondron’ny kandidà koa ny tao Antsirabe, omaly.

Nandray ireo vahiny, mpanaramaso ny fifidianana ny eo anivon’ny HCC, omaly tetsy Ambohidahy. Anisan’izany ny avy amin’ny “Mission Internationale Conjointe d’Observation d’élection pour une Dé­mocratie Apaisée”, ny Comesa sy ny avy amin’ny Vondrona Afrikanina

Partager sur: