Efa nitety hetsika iraisam-pirenena maro momba ny dihy na i Julie Arisoa na ilay sanganasany. Andrasana any amin’ny Sagam any amin’ny Nosy Maorisy indray izy, ny zoma izao.
Hiditra amin’ny andiany fahenina ny « Sagam ». Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny dihy ankehitriny izy ity, izay tontosaina atsy amin’ny Nosy Maorisy, amin’izao fotoana izao. Voafidy handray anjara, hisolo tena an’i Madagasikara sy haneho ny sanganasany mandritra izany ilay Malagasy mpamorona soradihy sy mpandihy, Julie Arisoa. « Un voyage autour de mon ombre-île », ny lohatenin’ny foron-dihy izay hasehony ao amin’ny Institut français de Maurice, ny 17 novambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva.
Soradihy lalaovin’olon-tokana izy ity, ka i Julie Arisoa ihany no haneho an-tsehatra azy. Mampitaha ny maha irery ny olona iray sy ny Nosy iray izany… Niainga tamin’ny fahasarotana sedrain’ireo mpanakanto na olon-tsotra amin’ny fivezivezena mankany ivelany ny aingam-panahin’ny mpamorona ny soradihy.
Efa tamin’ny 2019 ity sanganasan’i Julie Arisoa ity. Nasehony tao amin’ny Ecole des sables tany Sénégal vantany vao vita, ary nandritra ny “Festival Duo Solo” avy eo. Niato kely ny fanehoany azy noho ny valanaretina Covid, ka tsy niverina raha tsy ny faran’ny taona 2021, tany amin’ny « Festival Souffle Océan Indien”, tany La Réunion, avy eo tany amin’ny “Festival Tallou Nalabo » tany Chad, “Tanzkongress” tany Allemagne, sns, ankoatra ny teto Madagasikara.
Tsiahivina fa mpampianatra dihy ihany koa i Julie Arisoa, ankoatra ny maha mpandihy sy mpamoron-dihy azy. Izy no mitarika ny kaompania Anjorombala nanomboka ny taona 2004, sy ny « studio de danse Maray » hatramin’ny taona 2015. Mirona amin’ny dihy ankehitriny, miharo dihy nentim-paharazana sy dihy an-tanàn-dehibe izy. Anisan’ireo mpiketrika sy mpanatontosa ireo hetsika iraisam-pirenena mahakasika ny dihy eto Madagasikara izy, ka anisan’izany ny « Evasion Danse ».
Zo ny Aina