Hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna : nahazo sambo avy amin’ny Japone ny faritra Anosy

Ho fampihenana ny loza an-dranomasina sy hiadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, nahazo sambo haingam-pandeha avy amin’ny governemanta japone ny faritra Anosy. Tonga nanolotra izany tany Taolagnaro ny masoivohon’i Japon, Abe Koji, ny zoma lasa teo. Nanotrona ny lanonana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, notronin’ny governoran’ny Faritra Anosy, Rakoto­ve­lo­manantsoa Voahary, niaraka tamin’ny talem-paritra misahana ny jono ao an-toerana. Nambaran’ity solontenan’ny fanjakana japone eto amintsika ity fa laharam-pahamehana ho azy ireo ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina. Maro ireo mpanjono tsy ara-dalàna nefa tsy misy ny fitaovana hampiasaina hanenjehana azy ireo. Mitentina 18 miliara Ar ny tentibidin’ity fitaovana ity. Mbola hahazo sambo toy izao koa ny ao Mahajanga, Toamasina, Antsiranana ary Toliara mba hahafahan’ireo sampandraharaha misahana ny jono manao ny asany haingana amin’ny fanenjehana ireo mpanjono tsy ara-dalàna na ny loza an-dranomasina mety hiseho tampoka.
Nifanindran-dalana tamin’ io koa ny fanoloran’ny masoivoho japone ny kamiaobe «citerne» ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Taolagnaro. En­tina hanampiana ny kaominina amin’ny fitsinjarana rano ity fiara ity. Tafiditra indrindra amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina ny 8 oktobra 2021 izany. Vola mitentina 384 tapitrisa Ar no entin’ny fanjakana japone ho an’ny kaominina, amin’ny alalan’ny fandaharanasa fanampiana ho fitsinjovana ny maha olona.

Jean Claude

Partager sur: