INDRAY MIJERY

Ny sabotsy 25 novambra izao no fotoam-panokafana ny taom-pikatrohana vaovao ho an’ny Antily, diosezin’Antananarivo, tanterahina eny amin’ny Ekar Anosizato. Amin’io no hametrahana ny ekipa fanampiny diosezy, fanolorana tapaporohana sy ny fanomezana laharam-pivondronana.
Manohy amin’ny fanentanana ny zatovovavy sy ny tanora momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ary ny fisorohana ny vohoka aloha loatra ny ekipan’ny fahasalamana, any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Miara-miasa amin’ny USAID Access izy ireo amin’ny fanatanterahana izany.
Nanao jery todika ny fizotry ny rafitra FEFFI izay napetraka tamin’ny EPP miisa 670, ao anatin’ny Dren Itasy, ny tomponandraikitry ny fanabeazana eny ifotony, ny herinandro teo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ ny Tafita/Jica sy Sofiasive ny tetikasa. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanabeazana fototra sy ny zaza madinika (DEFPE) no miandraikitra izany.
Fotoana mahavokatra ny voankazo izao, mampitombo ny fako ihany koa. Mila mifehy ny fako na ny mpivarotra na ny mpividy, indrindra ny isan-tokantrano. Tsy tokony hanarinary fako eny rehetra eny. Hajaina ny ora fanariana fako eny amin’ny dabam-pako mba handrindrana ny fahadiovan’ny tanàna.

Partager sur: