Paikady napetraky ny fanjakana ny hidiran’ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna. Napetraka ny fari-pitrandrahana manokana hanatanterahana izany.
Manome tantsoroka ny mpitrandraka madinika ny harena an-
kibon’ny tany ny fanjakana. Nidina ifotony tany amin’ny kariera any Itremo, distrika Ambatofinandrahana ny delegasiona tarihin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny 13 novambra teo. Nojerena ny fitaovana ampiasain’ny mpitrandraka madinika ny vato kristaly any amin’ny kariera Anovotra, ny fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina, sns. Araka ny lalàna mifehy ny fitrandrahana madinika, voarara ny fampiasana fitaovana vaventy, toy ny «bull» na ny «excavateur». Hita fa voahaja izany fepetra izany, ao amin’ny kariera Anovotra, itrandrahana ny kristaly amin’ny fitaovana madinika ampiasana tanana.
Nihatsara ny fari-piainan’ny mponina
Niresaka tamin’ireo mpitrandraka ny tomponandraikitry ny minisitera. Nisaotra ny fanjakana izy ireo amin’ny fampanjariana ny fitrandrahana madinika amin’ny alalan’ny fananganana ny fari-pitrandrahana voafehy manokana (zone d’encadrement). Tsapa koa fa tena mivaingana ny fiantraikan’ity paikady ity eny ifotony. Nilaza ny filohan’ny Vondrona Fimpavi (Fikambanan’ny Mpanao vato Itremo), Razafindrakoto Nirina Noely, fa «maro ny asa niforona, indrindra ho an’ny tanora». Nanamafy izany Rakotoarisoa Fidèle, filohan’ny Fikambanana Vato Anovotra (FMVA), nilazany fa «Nihatsara ny fandriampahalemana eto Itremo. Foana ny asan-dahalo. Nihatsara ny fari-piainan’ny mponina sy ny manodidina, hatrany Ambatofinandrahana, Manandriana, Talata Vohimena, Amborompotsy, Mandrosonoro,…».
Nilaza ny minisitra, fa mitohy ity ezaka ity ary hitarina any amin’ny toeran-kafa.
Njaka Andriantefiarinesy