SOMBIM-BAOVAO

Ampivoarina ny fahaizan’ny teknisianina any amin’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja baolina kitra. Ho­tanterahina ny 15 novambra ho avy izao, ao amin’ ny Stade Velodrome, Antsirabe, ny fiofanana « Stage d’Appui », ho an’ireo mpanazatra manana ny mari-pahaizana « Licence D » sy « Licence C » an’ny CAF, ao amin’ity ligim-paritra ity.
Hotanterahina ny 19 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, sokajy vehivavy. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny FTM Manjakaray sy ny FTFA Antohomadinika. Marihina fa misy lalao telo mialohan’io fihaonana io.
Erling Haaland, norvegianina mpilalao baolina kitra. Mahazo kiana amin’ireo anglisy mpanao gazety fa tsy mahatafiditra baolina mihitsy rehefa mihaona amin’
ireo klioba matanjaka. Ny alahady lasa teo izy, nahatafiditra baolina roa nanoloana ny Chelsea, klioba anglisy, izy nandritra ny fihaonan’ity ekipa ity tamin’ny Man­chester City, klioba ilalaovany.
Maratra i Jude Bellingham, anglisy mpilalao baolina kitra. Tsy anisan’ireo mpilalao afaka ny hanatrika ny lalao ihaonan’i Angletera sy i Malte ary i Ma­ce­doine du Nord i Bellingham. Marihina fa voadona teo amin’ny sorony ity mpilalao nahazo ny amboara mpanao baolina kitra mendrika ho an’ny sokajy zandriny, “golden boy”, ity.

Partager sur: