Hanomboka amin’ny herinandro 21 novambra amin’ny telo ora tolakandro ny taom-piotazana letisia, ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fivoriana faharoa nataon’ireo mpandraharaha letisia (GEL) sy ny solontenam-panjakana ary ireo tomponandraikitra samihafa voakasika rehetra, omaly, tao Toamasina, araka ny fanazavan’ny governoran’ny faritra Atsinanana. Hisokatra ny zoma izao kosa ny “guichet unique” ho an’ny fandraharahana ny vokatra. Mijanona toy ny tamin’ny taon-dasa ihany ireo hetra tambatra na patanty haloan’ireo hanao izany. Efa tonga ao
amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa ny sambo iray amin’ireo telo hitondra ireo letisia aondrana any ivelany.
Tsiahivina fa efa nanara-maso akaiky ireto vokatra mampalaza ny Nosy malagasy ireto hatry ny ela ny Centre technique horticole de Toamasina (CTHT). Tsy mifanalavitra ny tamin’ny taon-dasa ny taom-piotazana amin’ity taona ity, hanamorana ny fanondranana, araka ny fanadihadiana nataon’ny CTHT, ny 13 oktobra teo. Ho betsaka ny vokatra. Antony nahatonga izany ny habetsaky ny rotsakorana sy ny hafanana any amin’ny faritra. Marihina fa anisan’ny mandray ny vokatra letisia avy eto Madagasikara i Eoropa. Miavaka amin’ny kalitao sy ny hangezany ary ny tsiro ny letisia malagasy.
Henintsoa Hani