TARATRY ny KANTO

Hisy ny atrikasa ho an’ny « accordéon » sy ny « hip hop ». Karakarain’ny Akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) izy ity, izay hotontosaina ao amin’ny efitrano ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 18 novambra ho avy izao. Hizara ny traikefany amin’izany Rakotomandimby Jean Modeste, raha toa ka hitarika ireo liana amin’ny “hip hop” kosa Razanakolona Heriniaina Frederic.
Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fandalinana momba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny fampianarana. Anisan’ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha zokiny indrindra ny Valiha Académie. Ankoatra ny fampianarana mitendry, fantatra tamin’ny faran’ny herinandro teo fa hamoaka ireo voka-pikarohana notontosaina tao anatin’ny taona maro niorenany ity foibe ity.
“Dom-bera”. Tontosaina anio, eny amin’ny Ivokolo Analakely, ny hetsika “Dom-bera”. Hetsika ahitana antsan-tononkalo, iarahana amin’ny mpanao tononkalo miisa 6. Ho renesina mandritra izany ny tononkalon’i Gaetan Andria, Wany Rodolphe, Kiala Mirana, Maria’h Rosa, Miangaly Soratra, Edena Hasambarana.
Holafitra. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, ny famoahana ny hetsika famoaham-boky Holafitra. Boky izay ahitana amboaran-tononkalo maro samihafa, nosoratan’ireo tanora mpahay kanto. Hita ao anatin’ity boky ity ny asa soratry Ny Iraka Ralambomanana, Ikazomanga, Indrafo Tsihoarana, Bin’s, R.H Toky, Hajia Farany.

Partager sur: