TSELATRA

Avotra soa aman-tsara afakomaly ilay zaza varira nalain’ny dahalo an-keriny volana maromaro tao Maroalika, fokontany Morarano, kaominina am­ba­ni­vo­hitr’ Ankilizato. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny zandary sy ny kalony ka niafara tamin’ny fahazoana ity zazakely ity teny am-pelatanan’ireo malaso.
Tratry ny vela-pandriky ny zandary ireo mpamaky trano sy mpivarotra halatra amin’ny alalan’ny facebook. Nahazo angom-baovao ny zandary afakomaly momba ny fisiana vaky trano tao Ambohidratrimo, ny sabotsy teo. Very tamin’izany ny ordinatera sy fakan-tsary. Niainga avy amin’ny fahatrarana ny jiolahy iray no nahafahana nisambotra ireo namany.
Ramatoa iray maty nandritra ny fanafihan-jiolahy tsy tanteraka tao Andriakely, Kaominina Fihaonana, ny alin’ny alatsinainy 13 novambra teo. Nigadona tao ivelan’ny trano fonenan’io renim-pianakavina io ireo olon-dratsy. Nodoran’ireto farany ny trano.
Naratra mafy nodaroham-badiny ny raim-pianakaviana iray teny Tanjombato, omaly atoandro. Nifamaly izy mivady noho ny hasarotam-piaro ka niafara tamin’ny fifamonoana izany. Naratra mafy teo amin’ny lohany rangahy vadin’ilay ramatoa rehefa voakapoky ny hidin-trano. Nentina hopitaly izy ka voatery nandalo fandidiana.

Partager sur: