VAOVAO TAMBATRA

Hiverina hisokatra ny volana desambra izao ny fitaterana an-dalamby mpitatitra entana mampitohy an’i Toamasina sy Antsirabe rehefa niato nandritra ny fito taona. Hahazo tombony manokana ny fitaterana solika, ireo orinasa mpanao lamba, ozinina mpanodina sakafo. Ao anatin’izay koa ireo mpanao simenitra ary ny ozinina maro samihafa.
Karatany 1 500 sy titra 450 no nozaraina tao amin’ny kaominina Andrafiabe, distrika Antsiranana II, ny zoma teo. Politikam-panjakana hanamorana ny fananantany ho an’ny Malagasy tsirairay avy. Kaomi­nina sy distrika maro no efa nisitraka izany. Tanjona ny hizarana karatany 2 000 000 hatramin’ny faran’ny taona 2023.
Nihena ho 329 188 t ny vary nafarana avy any ivelany, ny valo volana voalohany 2023, raha 514 050 t ny taona 2022. Nidina ho 17 167 t ny nafarany ny volana mai teo raha 76 057 t ny tamin’ny 2022. Anisan’ny nahatonga izany ny halafosan’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nidina ho 9 000 Ar ny litatry ny menaka anaty tavoahangy, ankehitriny, eto Antananarivo sy ny manodidina, raha maherin’ny 10 000 Ar teo aloha. Anisan’ny nahatonga izany ny fitomboan’ny vokatra vokarina eto an-toerana, ka mampitombo ny tolotra miohatra amin’ny tinady.

Partager sur: