Airtel : ampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika

Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena tany Toamasina ny tomponandraikitry ny Airtel, tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ny tetikasa hampiasana ny teknolojia niomerika eo amin’ny sehatry ny fambolena, iarahan’ny Airtel sy ny vovonana Avaya miombon’antoka.

Natao sonia tany Toa­masina ny fifanarahan’ izy ireo sy ny ONG Adid. Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Airtel Madagasikara, fa «tanjona ny hanatsarana ny fahombiazana sy ny fitomboan’ny famokarana maharitra. Hanavao ny sehatry ny fambolena sy ny manodidina azy ny fametrahana ny vovonana Avaya. Ha­namora ny fifanakalozam-baovao, ny fakana torohevitra sy ny fikarohana loharanon-karena samihafa ilain’ny mpisehatra. Izany hoe, ho azo daholo izay rehetra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra niomerika».
Nohazavain’ny talen’ny kaonty ho an’ny orinasa ao amin’ny Airtel, Randriama­nana Santatraniaina, fa «hisy ny fampiofanana ny tantsaha mpamokatra hifehezana ny teknolojia niomerika. Azon’ny mpividy vokatra atao ny ma­naraka ara-potoana ny fivoaran’ ny vidiny sy ny fanangonam- bokatra. Azo fantarina ny kalitaon’ny vokatra, ny sokajiny, toy ireo tsy misy akora simika na voajanahary». Nampaha­fantarina amin’ny ankapobeny ireo mpandraharaha nandritra ny fivoriana tany Toamasina ny fomba fampiasana ny vovonana Avaya.

Ampiasaina ny Airtel money
Manana ny andraikiny goavana amin’ity sehatra ity ny Airtel Money, satria amin’ ny alalan’ny niomerika no hanaovana ny fifanakalozam-bola. Tanjona ny hamerana ny fampiasana lelavola, sady manome antoka sy fiarovana ny tantsaha. Tsiahivina fa vita sonia ny 28 oktobra teo, ny fifanarahana teo amin’ny Airtel Madagasikara, ny ONG Adid, ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA), ny FVMPAMA, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Miantoka ny fampiasana ny niomerika ny Airtel, izay tanterahin’ny ONG Adid. Manohana amin’ny lafiny rafitra samihafa kosa ny Fivmpama sy ny CCCIA.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: