Diary Nofy « Let’s read »: hamelona ny fitiavana vaky boky no tanjona

Notanterahina teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny alarobia lasa teo, ny fanombohana ny atrikasa Angano sy Vaky boky, ao anatin’ny tetikasa “Diary Nofy”. Tetikasa izay manana tanjona ny hisarika ny ankizy ho tia vaky boky sy hamerina ny hasin’ny boky ary hanomezana sehatra ireo asa soratry ny mpahay kanto. Ireo ankizy avy ao amin’ny «Grains de Bitume» sy ny mpamaky bokin’ny Tranomboky monisipaly no nisitraka ny hetsika tamin’iny fanombohana iny. Hitohy amin’ny toerana maro izany hatramin’ny 25 novambra 2023.
«Io vava io», no angano notantaraina tao an-toerana, nandritra ny fanombohana ny “Let’s read”, ao anatin’ny tetikasa “Diary Nofy”. Raha tsiahivina, hetsika fitantarana angano, amin’ny toerana famakiana boky, akany fitaizana zaza kamboty, ivontoeram-pialamboly sy ny toerana manabe ankizy ity hetsika ity. Ankoatra ny fitantarana angano, manabe sy mitondra lesona sy anatra ho an’ny ankizy, nisy ihany koa ny fampahafantarana ny ankizy ny asa soratry ny Malagasy mpahay kanto nadika tamin’ny fiteny vahiny.

Angano iray, nosoratan’ Andriatiana Lazasoa Fanan­tenana, maneho ny voka-dra­tsy ateraky ny teny tsy voahevitra izy ity. Ao anatin’izany no hanentanana ny ankizy handinika tsara izay teny lazainy.

Lin

Partager sur: