Fandraharahana : fototra mampihodina orinasa ny angovo

Miantraika mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny olan’ny angovo. Misedra fahasahiranana amin’ izany ireo orinasa madinika sy salantsalany tsy manana fahefa-mividy groupe éléctrogène hanodinany ny orinasany. “Tokony hapetrka ny tontolo ahafahan’ny rehetra mi­asa am-pilaminana sy ampahatoniana. Andraikitry ny fi­vondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) ny fampakarana ny harikarena faobe sy ny fampandrosoana ny fandraharahana. Laharam-pahamehana ny fitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny fa­ma­tsiarana herinaratra”, hoy ny filohan’ny fivmpama, Ra­koton­drasanjy Rivo, afako­maly. Notohizany fa tokony hamoraina ny fisitrahana an­govo ho an’ireo orinasa samihafa.

Fampandrosoana
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny harinkarena faobe eto amin’ny firenena ny mpandraharaha malagasy. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny fanjakana nataon’ny fivmpama tamin’ny fametrahana ny lalàna ho an’ny fandaharanasan’ny indostria. Voasinga manokana tao anatin’izay ny sehatry ny fandraharahana amin’ny fambolena (agribusiness), harena ankibon’ny tany, ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra.

Miisa 450 000 ireo orinasa ara-dalàna eto Madagasikara raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 3 tapitrisa ny eo amin’ ny sehatry ny tsy ara-dalàna, araka ny antontanisan’ny fiv­mpama. Seha-pihariana azo hampandrosoana ny toekarena ny fandraharahana amin’ny fambolena sy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

Henintsoa Hani

Partager sur: