INDRAY MIJERY

Nofanina momba ny fitantanana sy fikojakojana fitaovana fitsaboana ireo teknisianina mpiasan’ny fahasalamana. Fiaraha-miasa tamin’ny Jica ary notanterahin’ny Air Water East Japan Medisun no nahafahana nanao ny fampiofanana tany Japon. Mikendry manokana ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpiofana hahay mikojakoja ireo fitaovana izay ampiasaina eny anivon’ny hopitaly ho fitandroana ny ain’ireo marary.

Amin’ny sabotsy 18 novambra izao indray ny hetsika “éducation thérapeutique (ETP) ny olon-dehibe”, ataon’ny Amadia eny faravohitra. Lohahevitra momba “Ny diabetan’ny Zokiolona”. Maimaimpoana ny fandraisana anjara ary misokatra ho an’ireo mitaiza zokiolona mba hanamora ny fitaizana azy ireo.

Nihena amin’ny ankapobeny ny rotsakorana saika manerana ny faritra maromaro eto Madagasikara. Tsy misy ny filazana loza ho an’ny morontsiraka fa manentana ny rehetra ho mailo. Anio, handrahona ary hisy orana tandrifin-drahona vitsy ny alina sy ny takariva any Betsiboka, Itasy, Bongolava, Melaky, Boeny, Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron’i Mania.

Marihina isaky ny 20 novambra ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy. Misy hetsika maromaro iarahana amin’ny Unicef, manomboka ny 17 ka hatramin’ny 22 novambra izao. Fampisehoana sary eny amin’ny La City Ivandry no hisantarana ny hetsika mitondra ny lohahevitra “Tokony hisitraka ny zo rehetra ny ankizy”.

Partager sur: