Maty voatsatok’antsy : mpamily citerne efa noviravirain’ny biby

Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina indray teo anoloan’ny toeram-pivarotana iray amin’ny lalana rarivato, An­kirihiry Toamasina, ny alarobia maraina teo. Tovolahy vao 27 taona ity nisy namono ity. Raha ny fitsirihana nataon’ny dokotera eo anivon’ny BMH, tsatok’antsy efatra no hita tamin’ny vatany, teo amin’ny tratrany sy ny sandriny havanana. Navelan’ireo nahavanon-doza teo amin’ny lalana rarivato ny fatiny. Efa noviravirain’ny alika izy tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny polisin’ny Fip sady nanatitra ny razana tany amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina. Tsy nahafantatra ny zava-niseho ny fianakaviany izay efa nikaroka azy hatramin’ny maraina. Ny alarobia tolakandro vao nahafantatra izy ireo fa nisy nanatitra ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe izy.
No­hamafisin’ny fianakaviany fa olona miasa izy fa asan-jiolahy tsotr’izao ity raharaha ity. Mpamily mpanampy amina orinasa tsy miankina iray ao Toamasina ity niharam-boina ity. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba izao vonoan’olona izao. Namba­ran’ny fianakaviany hatrany fa mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toama­sina. Mandry andriran’antsy hatrany ny mponina na eo aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.

Sajo

Partager sur: