SOMBIM-BAOVAO

Nigadona omaly alina, tany Maorisy, ireo Mala­gasy mpikatroka, taranja Jiu-Jitsu, hiatrika ny “Open d’Afrique”, hatao rahampitso 18 novambra. Miisa 19 miana­dahy izy ireo, ka 6 vehivavy. Sokajy Juniors, Adultes ary Masters no hifaninana mandritra izany.

Hotontosaina manomboka anio ary hitohy hatramin’ny 19 novambra, ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja karate. Fiofanana ara-teknika no hatao anio sy rahampitso ary ny alahady izao ny fifaninanana kumite sy kata, hatao ao amin’ny kianja mitafon’i Fihaonana “Académie Militaire”.

Taorian’ny fivoriana ara-teknika natao tany Kumasi omaly atoandro, tapaky ny rehetra fa hisalotra ny fanamiana miloko mena ny Barean’i Mada­ga­sikara, mandritra ny fihaonany amin’ny Black Star Ghana, anio ao amin’ny kianjan’ny Baba Yara. Tahaka ny mahazatra, dia hanao fanamiana miloko fotsy ny Black Star, mpampiantrano.

Taorian’ny fanazaran-tena izay nataon’i France, ny alarobia lasa teo, naratra teo amin’ny lohaliny, i Camavinga, Frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioba Real Madrid Espagne. Araka izany, tsy afaka milalao izy amin’ity taona 2023 ity. Miampy indray, noho izany, ireo mpilalao maratra ao amin’ny Real Madrid.

Partager sur: