Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, natao omaly, manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy nisy araka ny nivoizan’ny sasany mialoha ny herisetra sy ny sotasota. Indrokely tamin’ny birao fandatsaham-bato vitsy dia vitsy ny fisian’ny olona nametaka afisy manentana ny olona tsy hifidy, na ny tsy nanaiky haka ny fitaovana hanaovana fifidianana raha tsy nomena tambin-karama.
Taratry ny fahavononan’ny Malagasy tsy tia korontana, fa niandrandra fifidianana izany. Sady nisokatra no nisy tonga nandatsa-bato hatrany ny birao isam-pokontany. Arakaraka ny faritra no nampazoto ny olona sy nahamaro azy ireo. Tsy mahagaga izany satria faritra voafetra ihany koa no nisy ny hetsika fotsy nataon’ny kandidà 10. Izy ireo izay anisan’ny nosafidin’ny olona tao anaty biletà tokana, omaly. Tsy nisintona rahateo ny taratasy filatsahany ho fidina ihany koa.
Tsy nanaitra ny voka-pifidianana. Nitarika lavitra dia lavitra ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Ho an’ny eto an-drenivohitra, nitazona ny laharana faharoa vonjimaika ny kandidà laharana fahadimy, Marc Ravalomanana. Izy mianaka izay azo lazaina fa hany mpanao politika, manana olona eto Madagasikara. Tsy mahagaga satria samy tokam-po amin’izy ireo tsirairay avy ny mpanara-dia azy. Izy mianaka rahateo, miavaka amin’ny fitazomana ny maha izy azy ireo.
Anisan’ny fositra, manimba ny mpanao politika ny fivadibadihana amin’ny resaka politika. Tsy mahagaga ny vokatra ho an’ilay iraika lahy. Nanao fitan-droa, nitady tombony ka natombony. Noporofoin’ny vahoaka fa tsy azo amidy sy lalaovina amin’ny hevi-petsy Ramalagasy. Izao sady tsy an-tany no tsy am-parafara !
Marina fa mety misy ny sera hafahafa any ambadika any. Ny zava-misy aloha, efa mandatsa azy ny mpiara-mitolona sasany. Efa norarana, tsy voatana. Izao tsy mitoko ka zara raha mahazo vato, raha ny vokatra vonjy maika halina.
r.r