Reharehan’ Amoron’i Mania, i Mioranandriana. Mpampianatra, poeta, mpanoratra ary mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo ity ampahafantarina mandritra ny iray volana ity.
Vehivavy poeta, mpanoratra ary tena olon’ny literatiora i Fara Bakohasina Mioranandriana. Anjaran’ity mpanoratra zanaky ny faritra Amoron’i Mania ity indray no nampahafantarina tanatin’ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», tamin’ity volana novambra ity. Nisy ny fampahafantarana teo amin’ny pejy «facebook», sy ny haino aman-jerim-panjakana. Ankoatra izay, nampahafantarina ireo mpianatra avy amin’ireo sekoly maro tao amin’ny Alliance française Ambositra ihany koa ny mpanoratra Mioranandriana, ny alarobia teo. Nizarazara ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny literatiora sy niresaka ihany koa ny sanganasany ity mpanoratra ity nandritra izany. Ny fomba famoronana, ny aingam-panahy, ny karazana asa soratra, sns, no nifampizaran’i Mioranandriana tamin’ireto mpianatra ireto.
Natao mba hamoha ny talenta ao anatin’ireo ankizy mpianatra ny fihaonana tamin’ny mpanoratra, raha ny nambaran-dRahelinoro Noelle, talem-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina ao Amoron’i Mania.
Ankoatra ny maha poeta sy mpanoratra, mpanentana amin’ny onjam-peo sady mpampianatra taranja malagasy, tantara sy jeografia ary anglisy i Mioranandriana. Mamorona tantara an’onjampeo ihany koa izy, toa ny “Tsy te ho antitra”, “Fo lapan’ny fitiavana”, “Vintana tsy fantatra”, izay efa nandeha tamin’ny Radio Feon’i Mania ao Ambositra. Eo koa ny tononkalo sy famakafakana anatin’ny fandaharany toy ny “Vonona ho fahombiazana”, “Tanora tomponandraikitra” ary “Tononkalo takariva”. Mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra ary anisan’ireo nanangana ny sampana Amoron’i Mania i Mioranandriana.
Zo ny Aina