Vonoan’olona feno habibiana : mpiandry osy hita faty voatapa-doha

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny telo lahy nanapa-doha tovolahy iray tao Amboasary Atsimo, afakomaly.

Tovolahy iray 19 taona, mpiandry osy iray maty novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibina tao amin’ny kaominina Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Mpamboly sy mpiompy ity niharam-boina ity ka teo am-piandrasana osy no nisy nikapa tamin’ny zava-maranitra ny lohany. Tsy nalain’ireo nahavanon-doza kosa ireo osy fa ny lohan’ity tovolahy ity no nentin’ireo ma­laso. Tokony ho 150 metatra miala ny tanànan’Ambidavato raha 10 km miala an’Ifotaka. Nentin’ireo olon-dratsy io loha tapaka io. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, olona roa no tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona izao. Noho ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny zandary, tratra ny jiolahy iray monina ao Ankilimanara Ifotaka, voarohirohy ho nikapa ny lohan’ilay mpiandry osy.
Nilaza izy nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary fa any amin’ny namany iray monina ao amin’ny fokontany An­kazota Ifotaka ny lohan’io mpiandry osy io, saingy tsy mbola hita kosa ny misy ity jiolahy ity. Nanamafy ny fikarohana hatrany ny zandary taorian’izay. Nisy ny fametraha­na paikady rehetra tamin’ireo toerana mety ahitana azy. Nahitam-bokany izany satria ny 15 novambra 2023 maraina, tratra tao amin’ny fokontany Ambatomainty Ifotaka ilay jiolahy faharoa nanapaka ny lohan’ilay niharam-boina. Izy indray no nanondro ny olona nitazona io lohan’olona io. Voamarina tokoa ny fisian’ilay olona nanafina ny lohany. Hitan’ny zandary ny toerana nametrahana io lohan’io olona rehefa nentina nanoro izany ry zalahy.

Jean Claude

Partager sur: