Antsakaviro : lehilahy tratra nangalatra tao anaty fiarana Jeneraly

Efa tsy mifidy hangalarina intsony! Voasambotra ny mpangalatra telefaonina nifahana tao anaty fiarana manamboninahitra iray teny Antsakaviro, omaly.

Noraisim-potsiny teo am-pisokirana finday tao anaty fiara an’ny ma­nam­boninahitra iray ny mpandroba iray tetsy Antsakaviro, Boriborintany fahatelo, omaly. Nipetraka amoron-dalana ny fiara ka tsikaritry ny polisy ny fisian’io lehilahy io tao anatin’ ny fiara. Nanantona moramora ny fiara ilay polisy. Nirifatra nitsoaka avy hatrany anefa ilay mpangalatra vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Ni­fanenjehana izy ka tratra. Sarona teny amin’io mpandroba io ny finday nifahana izay navelan’ny tompony tao ana­tin’ilay fiaram-panjakana. Nen­­tina nihazo ny biraon’ny polisy natao famotorana io mpan­droba io taorian’izay. Naverina amin’ny tompony ny finday.

Nanambana antsy…
Ankoatra io, roa lahy hafa nanambana antsy olona telo lahy teo am-panendahana teny Itaosy saron’ny zandary, afakomaly. Niandry tao amin’ ny toerana mangingina ireto olon-dratsy ireto tamin’ny 11 ora alina. Natsipin’izy roa lahy ny antsilava ka nitsoaka izy ireo rehefa nahare zandary. Tsy lasa alavitra ireo olon-dratsy dia tratra. Naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: