Fizahantany 2024 : firenena tsara tsidihina i Madagasikara

Tafiditra anatin’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety boky Condé Nast Traveler. Toerana azo hijanonan’ireo sambo vaventy toa an’i Silversea, Lindblad, Swan Hellenic ary Seabourne ny firenena malagasy. Nanomana toerana vaovao azo tsidihina ihany koa ny Masoala forest Lodge sy Madagascar classic collection amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany. Voasafidy manokana amin’izany ny valan-javaboarin’Andasibe sy Namoroka ary Masoala.

Anisan’ny mahasarika ny mpizahatany sy ireo mpankafy ny natiora ny zavaboary miavaka ananan’i Madagasikara. Tombony ho antsika ny fananana ireo biby sy zavamaniry tsy fahita maneran-tany.

Ankoatra izay, nahatratra 350 ireo sidina avy tamina kaompania enina nihazo sy niainga tao Nosy Be teo anelanelan’ny volana mai sy oktobra. Mahatratra 47 071 ireo tonga tany an-toerana raha toa ka 47 972 kosa ireo niainga tao amin’ ny Nosy manitra, araka ny tatitra navoakan’ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be.

Henintsoa H.

Partager sur: