Fifanakalozana eo amin’ny mpandraharaha ahafahana miatrika ny fidangan’ny vidim-piainana ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha. Ao anatin’izay ny fampiroboroboana an’ireo orinasa madinika sy salantsalany.
Mifototra amin’ny fifampizarana traikefa ataon’ireo orinasa lehibe ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny fikaonandoha nasionaly ho an’ny mpandraharaha (forum national des entrepreneurs na FNE), andiany fahadimy. Hetsika fifanakalozana eo amin’ireo samy mpandraharaha ahafahana mahita vahaolana manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana. “Miisa enina ireo famelabelaran-kevitra hifampizarana mandritra ny roa andro. Hanome traikefa ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ireo mpandraharaha zoky manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana”, hoy ny fanazavan’ ny tomponandraikitry ny hetsika, Ramananjato Miora, omaly, tetsy Antaninarenina, nandritra ny fanokafana ny forum national des entrepreneurs. Maharitra roa andro ny hetsika.
Misy ny “speed business meeting”, fotoana hivondronan’ireo mpisehatra ara-toekarena amina toerana iray ho fampiroboroboana ny orinasany. Misy ihany koa ny varotra fampirantiana ataon’ireo mpandray anjara.
Tohana
Hanomezana tohana sy tantsoroka ho an’ny mpandraharaha ny hetsika. Maro tokoa ireo orinasa vao misandratra no maty ao anatin’ny roa taona nijoroany noho ny tsy fananana traikefa manoloana ny zava-misy. Manodidina ny 20% ireo manohy ny fihariana aorian’izay. Fantatra fa tafakatra 10,5% ny taham-piakaran’ ny vidim-piainana eto Madagasikara ny taona 2023, raha toa ka 6,9% izany ny taona 2022, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Eo ihany koa ny fitontongan’ny Ariary, ny krizin’ny Covid-19 ary ny ady eo amin’i Rosia sy i Ukraine.
Henintsoa Hani